INDRA-FO SY ANTRA (KOLESY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataovy tarigetra, sy tanjona amin’ny fiainana
Mb ho toetranao ny “antra” sy “indra-fo”
Aza milasilasy raha misy fitarainana
Fa toetra toy izany dia Sitrany tokoa.

Aza miandry ela, hamahana ny noana,
Mitsangàna ianao ho mpiaro ny kamboty;
Ary dia ianao no ho vavan’ireo moana,
Aron’ny mahantra, mpitsabo ny marofy.

Vonjeo ny mpivahiny, avoty koa ny resy
Sy mpitondratena niangaram-bintan-dratsy,
Fa eo no ho eo ihany, tsy ela, vetivety
Mahita anao ny Tompo; handao anao ny ratsy.

Vangio ny mpigadra, Tsidiho ny marary;
Tohano koa ireo homana ny tsy zarizary,
Atreho ny tsisy mpiahy mbamin’ny mahantra
F’izay no anjaranao … hamindra fo sy hiantra !

Ka mitoera tsara
No matokisa koa
Amin’ny finoana
Fa ny tia miantra
Sy ny mpamindra fo
Tsy ho verivery foana

SOLO
--------
Rohy:
923 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KOLESY
Nampiditra : kalesy
Daty : 09/10/2013 15:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01