Moa tsy nino ? (KOLESY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia tsy nino ve ianao, fa latsa-paka ilay fitiavany ?Dia tsy nino ve ianao fa mby an-dakana ny tongony ?
Fony vao ianao no tazany
Gaoma hanova ny tantarany
Pitik’afo rambaramba hanotohoto ny forongony !
Dia tsy nino ve ianao, f’ ilay fitiavany iny, hono,
Hiafitra amin’ny finoana fa tsy kilalaonao ny fony
Ka hanaovan-dihim-bazaha, na tsikonom-boanatsindrana,
O ! izany “Fitia” ‘zany ? ‘ty sy ‘nday fa tsisy an-kindrana
Tena ianao tokoa tsy nino, mirepirepim-pahajambena
Fa ditsoky ny vovo-tany nilalaovanao irery
Nataonao ho tsindriandriana, ‘lay fitiany vonto mamy
Vohon-tanana madonda no nanosehanao ny lahatra
Dia tsy nino lahy ianao ! Fa amiko, ny volamena
Moa tsy handalo sedra va ? tsy ho ankambo velively
Kanjo indrisy ! … Sa, soa ihany ? …
Fitsapana kely monja, dia nandrendrika `lay zahatra
Iangaviako ianao mba hino, indraimaka fotsiny ihany
Fa ny atao hoe “tena tia”, dia mangidy misy mamy
Hita teo fa hay ny anao,
Tsy fitia fa … kilalao
SOLO
--------
Rohy: