amiko (landy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mbola satriko aza
ny hahaizako anao
lalindalina kokoa
fa ianao no mahalaza
ireo izay mety vaovao
manodidina ny fo
Roa volana eo angamba
no naharetan'ny fotoana
nifandaozantsika
dia tsapako aho hoe banga
mangina sady moana
rakofan'ny hatsiaka
Hay n'inon'inona hanjo ahy
tsy ho tantiko na oviana
ny tsy hanoratra intsony
fa amiko ny aingam-panahy
mamorona ireo faniriana
tsy mamela ahy hitony
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : landy
Nampiditra : pato
Daty : 09/04/2008 08:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159