tsy mbola anjarako (landy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
noferako ny molotro
tsy hanonona intsony
ny anaranao
r'ilay nidify teo
saingy indrisy mantsy
lavitr'azy ny hitony
lasa tsianjery mihitsy
tena efa mankaleo
Nandramako ihany koa
ny tsy hametraka an-tsaiko
ilay endrikao kanto
nambabo ny fijeriko
hay moa ianao iny
efa nanomboka ny aiko
'lay fanafody ampy
hampikombona ny feriko
Nataoko avy ireo
hanadinoina ny efa vita
hanovako ny tsy nety
sy hanatsarako ny hoaviko
saingy ny alokao ry tiana
tsy takona fa mbola hita
manisy fanimbana
ireo lalana hodiaviko
Nahoana re ry aiko
no dia tsy maintsy esorina
'lay fakam-pitia
nitsiry tato am-poko tato
dia hohazera indray
ireo rehetra mba naorina
tsy mbola anjarako angamba
matoa terena hiato
--------
Rohy:
1255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : landy
Nampiditra : pato
Daty : 09/04/2008 08:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014