nofy (landy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny masoko efa mikipy
tsy mahatazana intsony
nefa tena
nahagaga ahy ihany
izy mbola tazako
mijery ahy hatrany
fijery izay maneho
ilay fitia avy ao am-pony

Avy hatrany dia
nifanoroka izahay
ny nifamihina koa
tsy nohadinoina velively
dia tsapako amin'izay
ilay hafanany fa miely
ny vatanay aza
toy ny hoe efa iray

Vao may nirehitra ilay afo
nanamafy ny hafanana
raha nampianay safosafo
sy teny mamy tena mihaja
fa 'lay hasambarana
no tena nanan-danja
satry foana hijanona eo,
tsy ho tojo izany fiafarana

Saingy indrisy mantsy
tampoka avy teo
nihiratra ny masoko
nierikerika nitady
dia nanontany tena mihitsy:
lasa aiza vetivety teo
teo vao tonga saina
hay nofy izy fa tsy vady
--------
Rohy:
1111 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : landy
Nampiditra : pato
Daty : 10/04/2008 06:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143