Mino ianao satria…! (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mino ianao satria…!
Mino ianao satria nahita tanana nifato-maty
Tongotr’efa voafantsika ary loha mivakivaky
Voarangotry ny tsilo nanaovan’azy ho mpanjaka
Novelesina kanota fa mpandravarava lapa.
Mino ianao satria mahita fa voalefona ny fony
Nivoaka nana, rako-pery ny atiny sy ilanivony
Fa nizaka ireny rora, nisotro ngidy tsy niriny;
Mino ianao satria mahita fa ny otanao no indro novidiny.
Mino ianao satria mahita fa ny soratra eo andohany
Dia anaram-bositra maneso fa tsy anarana isalorany.
Mino ianao satria nantsoiny sy nomeny reny vao
Satria ny reniny mihintsy no indro koa fa reninao.
Mino ianao satria mahita fa nantsoina ho rahalahy
Tsy mba minomino foana fa taranak’I Thomas.
Mino ianao satria mahita fa voavonjy izao ny hafa
Mino ianao satria mahita fa mitombina ny Paka.
Mino ianao fa misy izany, mino ianao ankehitriny
Kanefa mba ataovy sary an-tsaina raha iny Alakamisy iny
No niady ka nanohitra ny mpianatra fahiny :
Ry Piera sy Joany, I Jodasy sy Tade
Dia ahoana hoy ianao mety nisy famonjena ve?
Raha iny Alakamisy iny no nitohy ny lako-tsabatra
Dia angamba hino ianao fa hiova ny fandehan-javatra
Mety tsy hisy famonjena, mety tsy hisy koa edena
Nefa na izany na tsy izany fomban’olombelona no tsy maintsy manantena:
Ka na ahoana na ahoana efa fantatro fa misy izany hoe famonjena.
Izany fotsiny ihany dia ampy hahavonjy
saingy tsy midika akory izany fa I Jesoa tsy nahomby.
Rehefa mino ianao, eny nefa tsy nahita
Izany fotsiny dia hinoy fa ampy hamonjy antsika.
Lebota
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
2086 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : LEbotakely
Daty : 27/07/2011 11:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096