You are here: home > Vetso

Sarin'ady - Lebota

Hanky ! Ady va re sa sarin'ady moa
Izato adin'olon-droa
mifankatia !
Eny é ! Ataoko hoe mifankatia tokoa
fa raha tsy izany nahoana ary no
rehefa tonga ny hafa
no toa nikasa hiova fomba fiasa...
Nefa ianao "nitolona"...
Toa izaho indray no natosika
hisisika
nanaovana anjolofo, niangaviana ! Asa !
Ka aza ny hoe  "fahafahana"
No ventesinao ho fivavahana
hanenjehanao ahy
resy an'ady,
very fanahy.
Aoka letsy rahalahy...
fa ho zakaiko ihany ny ahy.
Saingy tsy hiverenako intsony,
izay nandratra irony vatany sy fony.
Aleoko ny amiko no hovàna
lalan-kafa
ka hatram'izao dia :
"ho fiainam-baovao".

Lebota. Valin'ilay "Fahafahana" nataon'i Hery.

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

lanto (04/10/2003 19:26:40)

Sarin'ady sa sasin'ady ?
Hitako fa nahalasa vinany ny maro ny fotoanan'ny voangorrry....

Hametraka hevitra

Midira aloha