Ny vadiko (Lebota)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VADIKO

Ny vadiko, eny tiako, tiako tsy hay oharina am’zavatra eto an-tany
Tiako fotsiny dia ampy, tiako tsisy fetra izany itiavako azy izany.
Tiako, tsy hoe tiako fotsiny satria vehivavy ka ilaina,
Fa tiako, ilay tia tsy hay faritana, ilay tia tsy hay lazaina.

Tiako é! Tsy ohatran’ny hoe tiaviko fa mamy, na halako ny ngidiny
Fa tiako fotsiny am’fo, tsy ny tsangany na fijeriny na jidiny
Fa ireo rehetr’ireo alàna, na ireo rehetra ireo mitoetra
Dia itiavako azy foana, fitiavana tsy maty, fitia tsy voafetra.

Ny vadiko, eny angamba ny tarehiny, ny “charme” fijeriny
No nanaitra ny fitiavako hitady sy hamantatra ny tena misiteriny.
Nefa rehefa tena avoitra ny tena itiavako azy, dia tsy ireo ihany
Ary tsy haiko hoe inona fa misy hery hafa toa itiavako azy izany.

Raha afindrako amin’ny hafa ny fombany, fibangony, firentiny izay tsotra
Dia toa lasa miova loko, toa lasa bambaray ka zary fotafota,
Toa tsisy hay jerena, toa tsy fantatra ho inona, zary toa manjavozavozavo
Tsy hay fantarina ny akantony fa manjary toa malazo.

Ny vadiko, ny fitiavanay angamba tsy hoe dia fitia modely
Nefa fantatray fa ny mahamamy azy dia izahay ihany no tokony ho tantely,
Ary izy sy izaho, miara-miaina am’mamy, miara-maty amin’ny aina
Ka na maizi-kitroka aza ny alina, mifamihin’izahay dia tonga ny maraina.

Ny vadiko, tsy hoe fanaperana am’bika, na koa hoe tsisy pentina am’toetra,
Tsy hoe lavorary tsy mipika ny eny aminy rehetra
Saingy izay no izy aminy, izay koa no tiako satria tsy misy ato amiko
Izy tia ahy ary izaho manaja ny aminy, izy irery ihany no ho renin’ny akaniko.

Ny sipa no azo afoy, ampirafesina, adinoina,
Fa raha izany vady izany mamy loatra ts’hay soloina.

Clarys 12 Avril 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy
5397 1
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 20/11/2005 22:11)
manan talenta tokoa! tohizo fa tsara e
badoul ( 27/04/2012 08:24)
sady marina ko le voalaza e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : Clarys
Daty : 07/11/2005 06:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01