Na tia aza aho ! - Lebota
Azo vakiana?
Na tia aza aho !
Ka hanoratra ho anao
Ataoko an-taratasy na an-tsolo-tsaina toy izao
Na alefako amin'ny paositra,
Hiangaviako "occasion",
Na ateriko amin'ny tànana
na alefako "avion"
Misy dikany inona amin'ny fo vatonao?
Na tia aza aho !
Ka hamoron-kira alefako amin'i Lôla.
Na hanoratra poeme toa adala sady môla.
Na hiangavy mpanankanto hisolo izato badabadako.
Hanova inona aminao fefy vato hidin-gadrako?
Na tia aza aho !
Ka handohalika isan'andro eo ambaravaranao
Hiandry anao hivoaka hamonjy ny birao.
Na hiaritra hatsihaka sy ny kitrok'alim-be.
Hampaninona ny fonao haram-batolampy re?
Na tia aza aho !
Ka hitokona amam-bolana tsy hitelin-kanina
Ka avelako ny kankana hifanao adisanina.
Tsy mampaninona ahy anie ny hitsirepirepy fanina.
Haningotra ny fonao ve !?
Na tia aza aho !
Kanefa efa alanao! Fahavalonao !
Ny ataoko rehetrarehetra : tsy zarizary halanao!
Na izany aza anefa : ny foko tianao.
Lebota (Clarys)
Hevitra mandeha
hendry (08/05/2004 11:42:38)
Ntsô! soa ihany aza enao efa nahatsapa hoe tsy tia izy koa.
Mampisaina sy manoma anatra ny tsy mahala tsy tiana io, tsy ratsy.
Clarys (08/05/2004 19:59:57)
Merci ry hendry a ! Misy tokoa ve ilay hoe tsy mahalala tsy tiana, sa diso fitia !!??
Oully (15/05/2004 11:26:06)
Teto no tena nahitako fa tena manantalenta ianao ry namako. Mahereza !!!
Clarys (15/05/2004 17:47:14)
Misaotra oully a ! Itovizanay sy ilay namako be iny io aingam-panahy io e ! Sady ny zavatra anie rehefa iainana moramora tenenina ihany é ! Soa fa misy toa anareo mahay mankahery. Bizzzou alou é !
Mombamomba
Mpanoratra : Lebota
Nampiditra : ClarysDaty : 05/05/2004
Mpamangy : 2839
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mino ianao satria…!ARA-NOFO FOTSINY IHANY
Domoinam-pifaliana
Ny vadiko
Ny tena hoe sakaiza
Ho an'i hery
MEVA
Sarin'ady
Resim-bavy?
Mitrakà !