hery miafina (lionne)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hery miafina miaina
hery miafina mahery
tsy ho takatry ny saina
mitampify sy miery

mamparary mampahia
mampitroatra mahafanina
mahery vaika mampikodia tsy mampite hinakanina

hery miafina hafakely
mampitsiky mahafaly
sambatra toy ireo anjely
tretrika fa tsy mijaly

ilay fitiavana no tantaraina
hoentin ny olona rehetra
ny ao ampo sy ao antsaina
no iasany tsisy fetra

hery miafina ao anaty
mamaka lalina dia lalina
mampisotro ny aleoko maty
mampisento andro amanalina

mamy zany hoe tiana
fa mangidy ny mitia
marary ihany fa iafiana
tantely amambahona ny fitia

lehibe tsy hay zakaina
nefa ihany mora afindra
to tsy foy zarazaraina
refa ianao no tiana indrindra

ny fitiavana ato ampoko
nandalo fisedrana maro
nitomany nitoloko
niady tamin ireo fahavalo

taona maro no nodiaviko
nahatsapako hery miafina
fitiavana tsy nolaviko
mihamitombo sy miaina

tsapako izy ankehitriny
zay nokoloiko tsy ho very
natokako ho an iny olon iny
fitiavana ho anazy rery

13/09/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1209 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lionne
Nampiditra : Franky
Daty : 21/09/2008 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098