ilay tsy foiko (lionne)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho anao r ilay tsy foiko
no hanolorako ireo hira nokoloiko
noforoniko izy ireny
fa ny fitiavako no miteny
naiza naiza alehanao
ninoninona atao
ny fitiavanao tandrovy
ny fahendrenao arovy

ianao no mamiko indrindra
ny endriko teo aminao no nafindra
idriko tsy hohadinoina
ilay fitiavana na hovonoina
ho anao izany fa tadidio
ny tsara ihany no fidio
tsy misy mihoatra ny fitiavana
fadio ny manary havana

hatoroko anao izany
ampianariko anao hatrany
fa sarotra loatra ny lalana
koa etsy ny zanako ho tantanana
ho lehibe ianao any aoriana
meteza ho raisiko fa aza variana
aza miala amin ny fitiavako
dia izay nambaran ny vavako

fitiavana ho anao irery
an tsitra po tao anaty fa tsy an tery
raha ho tonga izay anjaranao
ny fitiavanao no tsinjarao
ataovy araka ny fahendrena
avy ao am po tsy noterena
dia araka izay nolazaina
fony ianao notaizaina

aza manahy intsony
fa homba anao Jehovah ao ambony
na ho mora na ho sarotra
mahereza fa aza miahotra
raha mbola velona koa i Neny
dia mitsinjo anao eny ho eny
ry mamiko sy nolalaina
mijoroa ho lehilahy tsy mitaraina
soavadia ry sombiniaina

19/09/05
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2156 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lionne
Nampiditra : Franky
Daty : 14/09/2008 14:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141