ny fandalovanao (lionne)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iny ianao fa nandalo
nandalo ahy tsy niahotrahotra
fa ny any amponao any
miraki java mahatahotra
tsy mihambahamba iano miteny
manambara izay holazaina
miantefa ao ampoko ireny
ka mahaverivery saina
miandry anao hitafa maharitra
kanjo indrisy fa mandalo ihany
mijaly aho fa miaritra
izany fandalovanao izany
babo mantsy ilay foko
babonao ry olo tiko
mitia anao an tsokosoko
mitia anao mangingina
manaramaso no azo atao
mijery anao mandalo ahy
toa tsy tsapanao akory
ity fo mangahiahy
vao midify ianao dia ory
oriory ny fanahy
varimbarina lava zao
lasalasa saina kely
mamentsoventso ny endrikao
mitoloko manirery
taratasy iray sy penina no hany namako isan andro
mibaribary tsy hay afenina
toy ny volana sy masoandro
voaray an tsoratra daholo
ny ao ampo sy ao an tsaina
ny fitiavako manontolo
ireo nofinofiko rehetra
nofinofy anao ihany
saingy indrisy re rahavako
ny heritsaiko miatso anao
voafetra ny fitiavako
miantso izay handalovanao


15/12/05
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1056 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lionne
Nampiditra : Franky
Daty : 14/09/2008 14:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141