reny adiaditsika reny (lionne)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
reny adiaditsika reny
na an tsoratra na teny
dia nanenenako avokoa
tsy ataoko manindroa

fa nasehonao daholo
ny fitiavanao manontolo
dia fitiavana mahery
nasehonao tsy antery

hambopo sy avonavona
nandrakotra toy ny zavona
no navaliko azy reny
adiady lava reny

menatra aho androany
raha mba te hanontany
mbola tia ahy ve ianao
na hoe inona indray no atao

fa ny adiaditsika ihany
ry malalako any ho any
no nananatra ny foko
mba hifady zay maloto

tsy ho sahazanao aho
fa toy ny adala tsisy atao
tsy nahatsapa hoe tiana
fa nivezivezy sy variana

17/08/08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1112 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lionne
Nampiditra : Franky
Daty : 14/09/2008 14:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125