ANJARA - lolash
Azo vakiana?
NY ANJARA ZAZA HENDRY,
tonga hoazy, mahay mikendry,
kanty sy mahita lalana,
tsy ilàna fitadiàvana,
rehefa ho tonga izay anjara,
mahalala tanana mizara,
fifaliana zava-tsoa,
fitiavana ho an olon-droa,
dia io fa feno fahasambarana,
ireo tia tazatazana,
mibika iretsy mpanambady,
vita dina ...vita voady,
ho maro dimby ho maro fara,
ho tahian ilay anjara,
ianao zay miandry aza kivy,
andraso kely, ho avy izy.
LOLASH
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : lolash
Nampiditra : lolashDaty : 20/09/2010
Mpamangy : 1975
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IANAO sa IZY ?IREO OLO-MALAZA
LAMBORIDY
IZAHO sy MADAGASIKARA