FITIAVANA HAFAHAFA (Lova miar'shu)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avaloko ny lasa,
banjiniko ny ho avy,
toa fitiavana hafahafa,
hampivarina any an-kady.
Efa an-tanan'olon-kafa,
ity misangy ahy matetika,
fa fitiavana hafahafa,
vao mitia dia efa rendrika.
Tsy tiako hipoitra intsony,
ny amin'ny fiainan'ny ho aviko,
fa nahatonga sorisory,
tamin'ny lalana nodiaviko.
Hofadiako ny hihaona aminao,
ry fitiavana hafahafa,
mitsodrano no azoko atao,
satria ianao hay an'olon-kafa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1699 2
Mpakafy: Eliasy - lova miar'shu
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova miar'shu
Nampiditra : lova miar'shu
Daty : 29/06/2015 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155