Banga! (Lova)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Banga !

Andron’ny hatanorana, lohataon-diavolana
Feno tsiky sy hatsarana, tsisy ratra tsisy olana.
Masonao malefadefaka, maivamaivana fitopy
Toa miantso, te-hiresaka, tena babonao ny foko.

Tovovavy tsara bika, lava sy marotsadrotsaka
Mampalefaka ny fo, toa masoandro vao miposaka
Niantsapazako, notiaviko tamin’ny foko manontolo
Ka ny foko sy ny saiko, tena lasana am-botolo.

Ny molotrao manify, feno tsiky lalandava
No natohokao ny molotro, efa niandry izay sahaza.
Ka ny vatanao fihiniko, hifanatona amin’ny ahy,
Na nanota aza isika tamin'izany tsy manahy.

Satry hatrany ho fihinina, hizarana ny ao am-po
Satriko hosakambinina, mba hamaky izao tontolo.
Ny anjara anefa angaha tsy mba niaraka amintsika
Ka nitsahatra tsy nahy ilay tantara, nangatsiaka.

Dia nihodina nandalo, irony volana sy taona
Taona maro tato aoriana, iny isika fa nihaona.
Aty ampitan-dranomasina, toerana tsy mba nampoizina
Samy manan-tokatrano, ka tsy misy azo tohizana.

Efa sambatra ianao, izaho koa tsy latsa-danja (*)
Nefa dia tsy nahasakana fa mbola misy kely banga.
Nisy fitia tsy nety maty niotrika ao am-poko tao
Ka tsy azo nosakanana, ninon’inona atao.

Tsapa tsotra izao fa banga, ilay fiarahana fahiny
Fitia tsy afaka nitranga, hazo tsy afaka naniry.
Koa ankehitriny ary, manontany anao ny saiko.
Mampirafy ve tenako raha ny foko no mibaiko ?
--------
Rohy:
158 1
Mpakafy: Richieux
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lova
Nampiditra : Richieux
Daty : 22/10/2024 22:30
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0681