ITY FOKO (MADAÏES(danny))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EH! ity foko mitempo lava ho anao,
hatry ny ela hatrizay hatramin'izao.
ka ho hadisoako ve ny mitanondrika etoana,
tsy sahy manatri-maso anao zay eo anoloana.

te hilaza mafy aho hoe :"ry malalako tsy foiko".
nefa salasala ihany ity fitiavana koloiko,
nefa ankehitriny izao,de ho lazaiko ho ren-tany
fa TIAKO ianako .....na ho faly na tomany.

de ho lazaiko koa hoe:Tsy ampiambahambana,
N'inon'inona hamatotra,tsisy ataoko ahatana.
ka izaho.. ianao,toy ny alina sy atondro,
mameno ny ora feno mikoriana amin'ny anndro.

ity foko izay manolotra,'fitia feno mamy,
ho anao irery ihany f'aza be fanontany !!
ity fiainako rehetra,hifameno tena izy,
na @ tsara na @ratsy na @ mamy na ny ngidy .

De ho lazaiko koa i Neny f'aoka ianao tsy hanahy
f'ity fitiavana homeko dia tena ara-panahy
ka ny aiko no ho fenitra ary tsy mba vazivazy,
miara-miatrik'eny fôna zay vao tena mariazy .....
MD.071.105
Ka ahoana ???
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy - Fitiavana - embona
3067 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MADAÏES(danny)
Nampiditra : vitsika
Daty : 18/09/2006 12:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144