NY SORA-TANAKO - MADAÏES(danny)
Ny sora-tanako vetson'ny tiana
Homeko zay liana sy sondrisondriana
Ny sora-tanako ho enti-manitsy,
Hanatsara, hanafaona ny mangirifiry
Ny sora-tanako tsy ho an'olon-tokana
Fa ho an'ny rehetra zay tojo ny sompatra
Ny sora-tanako dia isan'ny ampinga
hanitsy ny ho aviko mba tsy handringa
Tsy ho entiko hanandratra ahy ho ambony
Fa kosa hanafoana ny manorisory
Tsy hireharehavako toy ny harena
fa kosa tahiry Diary volamena
Ao ny tantaran'ny androko lasa,
ireo faniriana sy zava-kinasa
Ny faniriana ny taniko ho soa,
Sy izany fitiavana ho lamban'akoho
Ao ny avelon'ny fanantenana,
ao ny adiady zay tena nafana
Ao 'lay rano niangona tsisy mpandraoka
Dia ireo ranomaso nameno kapoaka.
Ny sora-tanako dia ny fiainako,
Milazalaza 'reo vetson-tarainako,
Indrindra indrindra izany fitiavako
tsy nahitako mangirana, nanamando ny tavako.
.......ZAY , Danny 1997 T/ve
Mombamomba
Mpanoratra : MADAÏES(danny)
Nampiditra : vitsikaDaty : 10/05/2006
Mpamangy : 2190
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
mbola tsy hayHO AVY
mot et reponse
ITY FOKO
Tena ho anao !
IZY
AMIKO NY TIA
IZAY ANDRO IZAY
TIAVO IHANY IZY
NY AMIKO(Ho an'i Gasikara )