MBOLA MILA ANAO (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MILA ANAO

Nivenjivenjy teny an'habaky ny nofy teny
ny foko manirery sy ny saiko adaladala!!!
Ny antson'ny eritreritro ao, injao milalalala
mitady ny endrikao sao mb'ho tsinjoko eny ho eny...

Eny!!!
Tena sarotra amiko ny hamafa ny tandindonao
tsy hitoetra an'eritreritro,
ny marina tsy afeniko
Fa; ny manontolo fiainako hatrizao...mbola mila anao
(...)
Tsy mety mino mihitsy aho hoe nifarina ny antsika
fa fiainana vaovao no voasoritra ho anao,
tsy misy fanahiana fa fitoniana ny ao ary
fialan-tsasatra maharitra any ambadikin'ny tsy hita

Tsy mbola tiako havalona ny diarim-piainantsika
n'aza vakiraoka hatrany am-piandohana,
maro koa ny pejy izay tsy foiko nosimbàna
na dia somary nankarary sy nahitan-tomika

Mahalia❤✨
20231123-0135
--------
Rohy:
249 2
Mpakafy: rina15 - Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 22/11/2023 22:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0964