Taratasy ho an'i Dada (Mahalia❤✨)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taratasy ho an'i Dada

Manery be ny fo ka mila tsy ho tanty
ny onjam-pitepoana omeny hozakaiko,
Na ny fotsiny arahaba aza mantsy
toa mitady tsy ho vita fa marary be ny saiko
(mandinika ny fiainana tsy misy anao mitantana)

Raha teto mantsy ianao,mba hafa tena hafa
ny lanitra tinazana sy ny loko hitan'ny maso...
Natao ny tsy hampitaha ny ankehitriny sy ny lasa
fa lonaka ny tany dia mandrava be ny ankaso!!!
(izay no zavatra mba tsapa)

Efa nobedesiko ihany ny vetsovetsom-poko
tsy hitanisanisa ireo sary mankarary
Saingy feno be ny alahelo ka mila hamaky fefiloha
ny taham-pahakiviana sy ny sentoko tsy mety lany
(mikiky ny androm-piainako)


'Ndraindray aza ny ratrako
manosika ny molotro hiantsy valifaty
F'ianao moa mbola dadako
dia mitony ny aty foko ary mionona tsy satry
(mibaby fandeferana)
...
Aza atao an'tsaina akory ny mety ho haromontana
raha misy mahoserana ny amin'izay voasoratra
Fotsiny aho miteny fa tsy tonga hanakorontana
Mb'hanamaivana ny feriko,'zay ho ela vao hanolatra

Ety am-pamaranana dia tiako milaza
sy manamafy hoe:" ianao dia mbola dada"
Ary hatrany tiana foana
na aza nanadino sy tsy nahafoy fotoana
(ho an'ny fahasambaranay)

Mahalia❤✨
20231102-0151
--------
Rohy:
256 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mahalia❤✨
Nampiditra : Djess
Daty : 05/11/2023 02:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.024