You are here: home > Vetso

Embona - Mahefa72

Azo vakiana?

"Embona"

Manina aho ka dia manoratra,
Ho an'ilay malalako lavitra ahy
Tsy azoko takarina toa lavitr'ohatra
Ka mampirongatra ny tsiahy

Lavitra ahy ianao kanefa
Ny foko manaraka anao eny hatrany
Any aminao izy no miantefa
Mandra-pialany eto an-tany

Tiako ianao ary fifaliana
Ary koa tia ahy
Ny fitiavanao no irina
Amelombelona fanahy

Veloma  kely vetivety
Ho amin'ny manaraka indray
Hiriko mafy mba ho mety  
Ny antsika ho mandrakizay

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

katiaa (17/03/2009 11:43:48)

Raha sendra lavi-tiana ka mahatsiaro ho irery
Tsarovy ireo dina natao tsy hanki tery
F'hivadika ho tsiky ny alahelohelo
Ho tony ihany koa ny fo mamelovelo

:-)

maeva74 (17/03/2009 23:12:30)

Ao anatin´ny mangidy no misy ny mamy,fa indray andro any dia mbola hiaona ihany.

maryline (18/03/2009 22:17:35)

Mbola ho avy izy e! aza malahelo, tsara ny tononkalonao dia mahereza

Zozoro (25/03/2009 19:11:52)

Sitraka sy telina.

endrika01 (13/04/2009 13:09:49)

mafy tokou refa lavitra olon-tina !mahereza e!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Mahefa72

Nampiditra : Mahefa72
Daty : 14/03/2009
Mpamangy : 1243
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO
Tia