You are here: home > Vetso

Tia - Mahefa72

Azo vakiana?

Tia "

Teny Kely tsotra ihany
Dia ampy entiko maneho
Ny fitiavako ho an'ilay olona any
Lavitra ahy tsy tongam-peo

Eny ry ilay Malalako, mamiko tsy foiko
Ny fitiavanao no tanako, tazoniko sy koloiko
Ary mbola averiko, sy teneniko eto indray
Tiako ianao ry ilako, eny tiako mandrakizay

Tonga ity ny fety, fetin'ny mpifankatia
Ka mba iriko na etý, eny na ary ankaotra arý
Dia fo iray ihany, tena iray tokoa
hirakofantsika hatrany, hampiray antsika roa

Teny kely, teny tsotra
Tena fohy, ka ho tadidy
Fa mampahery, tsara loatra
Mitondra rohy, tena sarobidy

Mahefa (14/02/2009)

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

maeva74 (17/03/2009 23:13:51)

Sambatra ilay voafidy fa efa azy ny fonao,fa tsy ho ela izy dia ho eo anilanao

maryline (18/03/2009 22:18:49)

lasany tokoa!

Zozoro (25/03/2009 19:09:34)

Teny fohy nefa mafonja
Makasitraka

endrika01 (13/04/2009 13:07:02)

tsy ny elanelan-tany ,no hampisy ny fanadinoina,mampangolingoly ,lay aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Mahefa72

Nampiditra : Mahefa72
Daty : 14/03/2009
Mpamangy : 984
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO
Embona