You are here: home > Vetso

FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO - Mahefa72

Azo vakiana?

FITIAVANTENA SA HAMBOM-PO

Asa raha mba nosaininao,
Maninona aho no mitondra tena toy izao?
Toa ilay hambom-po no hamafisina
ka miteraka kizintina?

Sa fitiavan-tena no tiana aseho
ka mahatonga ahy tsy ahaloam-peo?
Tsy fantatro hoe nahoana
Tsy mbola tonga angamba 'lay fotoana?

Ahatsiarovanao saina
Sa ianao mihitsy no malaina?
Hisaina ny momba ahy amin'izao!
Zaho nefa tsy hitalaho aminao!

Miandry ihany aho hatramin'izao
Nefa toa tsy mba  nosaininao
Ka aleo ny ho avy no hitsara
Sy haneho 'zay tiako hambara!

Lasa tsy manao veloma
Hono naman'ny tezitra
Oha-pitenenana fahagola
Saingy mbola mampihevitra

Ankehitriny hoe fa nahoana?
Sy mahatonga ahy ho moana
Tsy rarahiana ve no antony!
Sy ny hevitra afatony?

Tonga tsy miarahaba kosa
Hono naman'ny sosotra
mifono adin-tsaina miavosa
Izaho sa ianao no fositra?

Hangina aho tsy hisoka-bava
Ny ho avy no aoka hanazava
Fitiavan-tena sa Hambom-po?
Asa a! Tsy fantatro! Tsy fantatro 'zay ho voa!

Mahefa72 21 mai 2010

Hevitra mandeha

mahefa72 (21/05/2010 18:31:39)

Nisy Namana iray 'zay nifanena tamiko ka nahatonga ahy hanoratra io tononkalo io rehefa avy namborahany ny alahelony, Misaotra anao namaky

fitiamirana (21/05/2010 19:21:30)

kayyyy ! Hay kasihin'ilay aigam-panahy kao i Mahefa ? Faly mahafantara dia faly mamaky ihany koa no mankafy !Soa e !Tiako ny voasoratra ! Miandry ny manaraka !:-))

ni81 (23/05/2010 09:11:20)

Misaotra nizara e! Dia miandry ny manaraka!

maeva74 (26/05/2010 17:28:17)

Mankasitraka e!! Miandry ny mbola ho avy!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Mahefa72

Nampiditra : mahefa72
Daty : 21/05/2010
Mpamangy : 922
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Tia
Embona