You are here: home > Vetso

Ilay ... iny ... - Mampikanto

ILAY … INY….

Ilay erika nifafy
Toa vao maika koa nanamafy
Ilay ranomasoko tsy tàna
Malahelo anao mazàna


Iny làlana iny koa
Izay falehantsika roa
No hany mahalala
Fa ny foko dia “adala”


Iny volana miampify
E! saron-drahona indrisy
Saika mba alaiko ho namana kanefa
Tsy voajinery akory dia nilefa

Ilay siokam-boronkely
No hany tokana irery
Sady hany mahafantatra
Ilay fitiavako tsy fantatra!

Mampikanto 040205 à 17h44

Sokajy : Fitiavana, Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : Mampikanto

Nampiditra : mampikanto
Daty : 04/02/2005
Mpamangy : 1118
Mankafy : 0
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

TSY FANTATRAO!!!
ANY IANAO
FANTATRO!!!
Antso!
Serasera
Lazao
Tia
Safidy
Alina mangina
Ho inonao !

Hevitra mandeha

ravaomanahirana (04/02/2005 20:50:14)

hatsiarovako olona iray izay io tononkalonao io ,mitovy @ izao mihitsy ilay tononkalo nalefany ho ahy ,mahereza manoratra fa feno fitiavana ny aingam-panahinao!

mampikanto (07/02/2005 08:31:04)

Miarahaba anao Ravaomanahirana!

Mankasitraka anao nampahery e!Noho ny fisianareo mpankafy dia hiezaka hatrany ny hanoratra eto e!

Kanto

Hametraka hevitra

Midira aloha