You are here: home > Vetso

Aza ory hava-manana - Mandefitra

Azo vakiana?

Aza ory hava-manana

Raha sanatria ianao ka ory, tsy ampiampy ny eo antanana
Aza sainina akory, ny hialona hava-manana
Tsy satrinao ve ry zoky ho bolangina ho faly?
metimety koa ry zandry, sambatsambatra ry valy

sa ny hiara-hihosim-potaka no sanatria haharavoravo,
ny hijery olon'osa na hanao tsindrio fa lavo
sa hamingana izay miakatra hila kisa, hila ady
moa tsy toy ny dahin-dreny zay mamarina ankady...

Fa izao :miezaha, ataovy tanjona ny ho afaka
Tsisy tombotsoanao hiara hilevina ao andavaka

Sokajy : fananarana, vazivazy

Hametraka hevitra

Midira aloha