You are here: home > Vetso

Ilay tiako - Mandefitra

Azo vakiana?

Ilay tiako
ny andro nihamaloka, ny foko mila hatory
nanjavona toa aloka tsy hitako akory
ilay olontiako indrindra!
nijojo avy eo ny erika, ny foko mitomany
tsy mitsahamiherika sao mba any ho any
ilay sarotra hafindra.
Vao maika nanavandra, ngoly ny ao anatiko
naleoko niandrandra ny lanitra, tsy tantiko
raha ela toa tsy ho andriko...

nivaly ny fivavako, baliaka ny voahary
nitsiky ny fitiavako Izy fa tsy sary
no indro eo antsandriko
Tiako ange izy iny!

Hametraka hevitra

Midira aloha