Indro (Mandefitra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indroindro misy tononkalo, tsisy hevitra mafonja
na fiteny mampimalo na alahelo mampanonja
Tsisy tsiky akory entiny
Tononkalo tsisy ventiny!
indro koa tononkira, tsisy feo fa hafahafa
tsy fiainana voavira, tsy fitiavana voatafa
Tsy mba gadona, tsy angola
Tononkira tsy voavola!
Nefa nosoratako ihany
Ndrao mba hisy hankamamy...
--------
Rohy:
Mpakafy:
Arimalala - Mandefitra
Hevitra mandeha
![](https://avatar.serasera.org/12740732e02b77593bb52ad02abe5fb4.jpg)
sonwin
(
14/12/2004 15:48)
Mampitsiky ilay tononkalo. hi hi
![](https://avatar.serasera.org/a78bdeb6e91586a60e2522ebe0976435.jpg)
vetsoko
(
14/12/2004 22:23)
kanto anefa
![](https://avatar.serasera.org/2376591f31529380ff861f9d7e770c3b.jpg)
bobone
(
20/10/2005 12:56)
Mankafy foana e!