Vady - Mandefitra
Azo vakiana?
Vady
Nanafatrafatra ahy ny raiko, fony aho mbola mpitovo
hoe :"Raha hidaboka leroa, aleo mianjera amin'ny akondro
Na lavo aza tsy manahy, mamy no azo fa tsy fondro
Sipa manja iarahana, tsara bika tsara saina
Ndrao miaramila lava nify, tsy handalo katsamaina
Ka vady tsy niriana akory no iarahana miaina
Ny vady mantsy jerijery, fototry ny tokantrano
Ka sao ny kilalaompitia sy ny tsapatsapa rano
no hamatotra ho doria, na hampiditra angano"
Sokajy :
fananarana, vazivazy
Hevitra mandeha
vetsoko (24/12/2004 15:24:57)
marina izany
soa ihany za fa mbola tsy manambady,hitandrina be zao za...nefa na izany aza tsy atao hampitahotra ny manambady e!za aloha hanambady e!misaotra t@ilay toro-hevitra kanto
bobone (20/10/2005 12:51:53)
Mombamomba
Mpanoratra : Mandefitra
Nampiditra : MandefitraDaty : 17/12/2004
Mpamangy : 1885
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Zandry a!Vavaky ny Malagasy
Soron'afom-pitia
Ho an'ny ankohonany
Hangina aho
Vavaka
Voankazo voarara
Eny andalana
Tsy hiady
Nofo iray