You are here: home > Vetso

ANY HO ANY - MAZ RAMANA

Azo vakiana?

Any ho any...

Any izay i Malala
Mikalo ny olon-tiany
Efa...nilaozana an-tery!
Manina ahy izy izay
Manembona mangina,
Mitomany samirery!
Misaona fahoriana
...tsy misy mpampahery
Mitsetra fifaliana
...nefa tokana sy very!

Any izay i malala...
Mamakivaky onja
hatopatopan-drivotra
Mandoro, mahamay.
Fa mba tàzany ary ve?
Ny haavon'inty fonja
Voahodidin'afo
...mamatopatotra ahy?

Fendrofendro, eny, sisa
no mba namana akaiky
Ny anjara fifaliana
very teny antsasa-dàlana
Adàlam-pitia hono
...mantsy izy sy i malalany!
Nataony tsy ho mafy,
...angaha ny làlana hiakarany?

Any ho any...


20/07/2022
12h37

Mombamomba

Mpanoratra : MAZ RAMANA


Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 20/07/2022
Mpamangy : 128
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

ANDROANY HARIVA
SITRAKA
Trano rava 2.0
TRANO RAVA
FOLAKA
HELOHY
TSY AFA-BELA
L'Étranger
HO ANAREO
HAFATRA