INY VEHIVAVY INY! (MAZ RAMANA)

Nantsain'i Maz Ramana
Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa namboly FO toy ny vony izay maniry...
...eny antokotanim-pasana iny vehivavy iny.
Tsy nitsahatra nandavaka ny lomotra ao ampony,
...namongatra nanaikitra ny felany ny tsiny!
Nanaratsy azy matetika Ny ankabeazan'ny olona mandalo,
...rikoriko amin'ny fihaviany.

Nahay izy raha resy, ny niondrika nihetry!
Fa ny ampitso iny mitraka, rehefa sitrana ny ratra!
Dia mamonkina indray izay fara-hery efa nangoniny!
Tsy namirapiratra izy, fa ny tsilony nandratra...
...izay rehetra nahavita nandraraka ny voniny.
Izay manantona azy, izay tsy nitari-dositra...
...nidahoka! Natahotra ny marina koboniny!

Fa mangoraka mahantra na tsy manana omena...
Mivavaka isan'andro iny, miantso fahonena...
...ireo tsy manan-kialofana nitovitovy taminy!
Mpivahiny foana iny, mpanompo antanin'olona!
Nalaza mpihavonavona manahaka ny taniny!

Nisy saina ihany, fa nahay nandefitra nihatsaravelatsihy!
Nosaromany herikerika sy tsemboky ny fiainana,
...ny ranomasokeliny taty aoriana.
...rehefa avy reraka nananika nandady iry havoana iry!
Ngolingolim-pihafiana!

Niandry izay ho "sedrany manaraka indray"
...izato maso mitsipalotra amin'ny fomba hendratrendratra!
Ny azy dia mazava : folaka izy ankehitriny.
Nasiaka fa tsy lolo!Nahantra fa tsy vendrana!
Zakany ny anjarany!Tsy resy, tsy nangina!


MAZ RAMANA
31/03/2021 / 15H41 HM
--------
Rohy:
633 2
Mpakafy: hery - MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 03/04/2021 14:37
Antsantononkalo
Nantsain'i Maz Ramana
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148