ZIOGA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ao anaty haizina,
Hiafina masoandro, izay no fiononanao?
Ny fotaky ny helok'izao tontolo izao,
Hitambesatra aminao!
Izay no antenao!

Raha handositra ny eto,
Hitady akany vaovao, izay no sitraky ny fo?
Fitebitebena sy ny eson-tompon-tany,
Vela-padrika avokoa,
Izay no fitsarana any!

Raha hanarona alahelo,
...amin'ny fitaka, soloky, no hampandresy hoy ianao?
Ny fihatsarambelatsihy no maha'olondratsy!
"Manodiava mandra-maty"
Izay no haingom-bozonao!

Raha hamono fo,
Avy diso fanantena, ka hikendry valifaty?
Hatramin'ny taranakao, hahavita hanameloka!
Hany anjara lovanao?
"Vatan-kazo hobok'aty"

Raha eny an-tratran'olona
...tsy fantam-pihaviana, no hitsoraka hitomany?
Setroky ny ranomas'olon-tiany miandry any,
...sy ny alahelon-janany azy...
"Zioganao ety an-tany!"


Anjaramalala RAMANAMANJATO
25/01/2023
--------
Rohy:
425 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 02/02/2023 11:08
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164