NIANDRY ANAO - MAZ RAMANA
Azo vakiana?
Fony izy...tsy nahalala ahy,
Ny androny, tsy mbola androko
Ny fiainany, tsy toy ny ahy
Ny anjarany, tsy mbola fantatro.
Nisy hoavy voasoratra tany
Tsy namela azy hivily làlana
Niainany, nohaniny ihany!
Fa...nanenenany mafy androany!
May izy, ka rovi-damba!
Narehitry ny afobeko
Nozogaiko hazom-pahotana
Niangavy izy, tsy notafiako!
Tia izy fa novozoina!
Voafitaka fa tsy nahafoy!
"Miady ho anao aho" hoy izy nibanjina!
Ny ainy aza hono, ho foiny.
Nitsiky izy, dia nitomany
Rotika triatra ny fony
"Niandry anao aho" hoy izy namihina.
"Aza manalavitra ahy intsony!"
Anjaramalala RAMANAMANJATO
2012.
Mombamomba
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 10/05/2021
Mpamangy : 403
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
SITRAKATrano rava 2.0
TRANO RAVA
FOLAKA
HELOHY
TSY AFA-BELA
L'Étranger
HO ANAREO
HAFATRA
TOMANY ? ? ?