NITSARA AHO !!! (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahazazako, dia lany nitadiavako...
...fitiavana ho an'ny tenako, sy fiadanam-po.
Nefa ireo safidim-poko, novidiako fiadanana ?
...fotoana fohy ihany, dia nivarina ho tsiniko.
Nanozona ny ho avy.

Ny foko raha nangoraka an'izao tontolo izao :
...ka tezitra sy avy nanakiana fahatany ?
Natahotra aho...sady nalahelo ny hiafarany.
Dia noheveriko f'izaho no tena matihanina...
...na mety mpaminany!!!

Ny fahatanorako, sy ireo hadalana...
...manolatra ato antsaiko.
Dia lany nitsarako ny hadisoan'ny hafa
Sy niezahako nampisy ireo angano mamy...
...nampitserana ny lohako, nosandohako ho anjara...

Tia niteniteny aho, toy ny adala mikotaba.
Nihevitra ny tenako ho mpitarika amin'ny tsara...
...sy mba nisy hilavana azy.
Hay ny olona efa lanaky ny hehy mijery ahy.
Hay izany kay ny fiainana : samy manana ny tsarany !!!

Izay fahorian'olona nandalo teo imasoko...
...dia nitomaniako, fa neveriko ho avy amiko...
...noraisiko ho ahy.
Eh! Izao aho mangina, manitsy tena irery...
...fa tsy manana mpananatra...tsy olo-manandanja.



Anjaramalala Ramanamanjato // Fizarana faharoa (Ny Fitsaràko)
29/01/2020 à 11H 30MN
--------
Rohy:
500 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 03/04/2021 14:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154