RAOZY MAINA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra aho androany, ho an'ny ora sy fotoana:
Any ianao ry andro lasa...manampetra.
Hanoratra aho androany ho an'ny lanitra misaona:
Any ianao ry habakabaky ny lasako rehetra.
Hanoratra aho satria, hofohaziko izy ireny.
Any ianao Fitiavana nirehitra tanaty.
Hanoratra aho androany, hanoratra ho anao.
Any ianao ry mpivahiny nantenaina tsy ho faty.

Fony ianao tsy mbola tany, vao nanomboka nitsiry,
...iry vonin-draozy maina ery antokotany iry.
Ilay niloko mavokely, nisampana ankitelo,
Nisarisary fo sy niendrika fitia.
Fa nanintsana izy izao, dia nivadika ho kina,
Toa mitory hoe: efa tsy eto intsony anie ianao!
Lasa izay ny taona folo, nitelomako mangina...
...sy irery ny heroky ny adidy izay navelanao.

Nifoha aho mantsy, nanadio, dia tafapetraka.
Tsy tandriko ny maso, nitsipalotra tsy fidy.
Asa na ny fahanterako, na ny entako mavesatra,
...namitrana ny ratra, ka tsy vatrako tadidy.
...ny namafa ilay efajoro misy sarintsika,
Raha tsy anio dia anio, izy efa taindalerina.
Indrisy fa ny fo, hay mety mangatsiaka!
Ny ranomaso ritra!!! Efa tapitra natelina.

Mamy raha ny andro niarahana tety,
Saingy tsy tadidiko intsony ny mifaly.
Nahoana no tsy haiko ny nahatsiaro fa nitia...???
Ity lozako!!! izaho dia nanadino anao sahady!!!
Mafy koa raha mafy anefa ny irery miady!
Folo fahavaratra, eny, izay no efa nidona.
...hafatsy i Rafahakiviana teto amoron-kady :
...nangina aho! tsy nanan'izan'iza mba nantsoina.

Mantsy, tsy mba misy iarahana mipitrapitra...
...intsony anie ny masoko, raha hitomany anao.
Fotoana fivorian'ny mpianakavikelintsika...
Ny volana Aogositra, isan-taona toy izao.
Antitra aho ity ka tsy afaka hanaraka...
Ianao no loha mpitarika lalao...Eh, kinanjo,
Izaho irery sisa ilaozan'izy ireo hisaraka,
...rehefa menamena hadiva hody ny masoandro.



Anjaramalala Ramanamanjato
21.08.2019//13:30//dans Asa soratra miverina.
--------
Rohy:
665 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 03/04/2021 14:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144