SILAKA FITIAVANA - MAZ RAMANA
Vetsovetso amorom-patana no eto
Orakoran-dranomaso fahavaratra
Akanin-dratrampo ravahantsento
Tsy manan-tsolombolana hitaratra
Bitsibitsika marefo
Feo tsy loaka intsony
Nefa reny mafy loatra...
...ny fidoboky ny fony
Saingy, tsy nisy nandre...
...na dia nila ho vaky.
Antsoantsony mangina
Ampisoronan-kazomaty!
Kijan'orana mivatra famafazana
Fendrofendrom-peompo tokampihafy.
Fo toa feno, nefa SILAKA FITIAVANA.
Very fihantsampazana tsy satry.
Fitia nitoetra tsy mba foiny
...na dia nankahory.
Nataony toy ny maty,
Fa milevina ao ampony.
Hisaonany isan'ora,
Hiantsoany velovelo.
Hijaliany isa'minitra
Hanangonany alahelo.
Foy ny fony mba nanonomboka nitsiry.
D'efa nahalala fijaliana.
Zary fasana izy sisa ankehitriny.
Vony tokan-tany aniriana.
Angamba aza sanatria akory,
Hamoifo ho vato boribory.
Anjaramalala RAMANAMANJATO
2011
Mombamomba
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 09/05/2021
Mpamangy : 611
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHATRIZAYEFA AMPY
ANY HO ANY
ANDROANY HARIVA
SITRAKA
Trano rava 2.0
TRANO RAVA
FOLAKA
HELOHY
TSY AFA-BELA