SIMBA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mety hafapo ny tanako mikiry, hanoratra ho an'iza?
Mangina ny tontolo, maizina ny tany, tafodina impiry?
...F'izaho dia eto ihany!

Mandinika ny kasa, mamongatra ny lasa...tsy mety mahatadidy!
Tsy mahatsiaro intsony ny fomba naniriako, sy tiako nitondrana...
...ny fiainako ankehitriny! Fony aho tsy nanatsiny!

Indrindra indrindra indrisy, ny fitiavana noheveriko
...ho sandryfeno nofo, hanjerana fahavalo...
Hay Bala mora lany rehefa ela enti-miady.

Satria naderadera sy nomena hatraiza hatraiza!
Nohon'ny tsy fahalalana! Nafafy tsy ankijery,
...eraky ny vaza-mototra!

Ka ny mpanararaotra sy ny tsy nagataka,
...rehafa nahazo tombony, dia nahay niala!
Nangarika tsy rotitra.

Lanilany foana izay mba tsara rehetra tamiko,
...tsy nisy zava-tratra!
Hany ka nandositra sy niafina ny lalako : izany fifaliana!

Angamba ireo miankina amiko, mety tsara lavitra raha izaho no tsy eo.
Sao sanatria ho simba hanahaka ny lahatro.
Fa ny miaraka amiko mantsy mangingina, tsy dia misy mahaliana!

Mahery lahy ny taona sy ny zavatra ao aminy!
Nahavita nahamaina ny ando nitsiriako...
Niova nangatsiaka ny foko feno hantra...
...firavahan'ny fisiako.


Anjaramalala RAMANAMANJATO.
08/03/2020 à 14h05 hm dans Asa soratra miverina.
--------
Rohy:
Sokajy : Famoizampo - Alahelo - Ahiahy
708 1
Mpakafy: MAZ RAMANA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 14/04/2021 11:11
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158