TSY AFA-BELA (MAZ RAMANA)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy afa-bela!!!

Hitady an'iza hanatatao
ianao ry babo antanin'olona?
Hiandry an'iza hanafo rano
Izato tongon-tafintohina?

Andevo manan-tompo ianao
Harena, mbola hamidy
Tsy ahita fasan-drazana
fa hody ambavam-biby!

Mbola tsy hary akory ny haza
D'efa ianao no nokendrena
Notambazana hainga kely
Kanjo : ho faty nanantena!

Hanantena fo avy aiza
Ireto maso mierikerika?
Angaha tsy fantatrao angaha
F'ianao no kankana halentika?

Tsy afa-bela!!!


Anjaramalala RAMANAMANJATO
28/03/2022
15 : 19 HM
--------
Rohy:
604 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : MAZ RAMANA
Nampiditra : MAZ RAMANA
Daty : 28/03/2022 12:20
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153