JEJIJEFY (miHAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JEFIJEFY

Te hikimpy aho, te hijery
fa tsy mampino ity miseho…
Hay, toy izao no tena izy
ka nahatonga ny ankizy
jejojejo any Dago.

Eto no Parisy,
renivohitr’i Lafrantsa
vohitra dongabe, avo lenta, mizahozaho,
feno tabataban’
ireto fiara mikaretsaka…
Lohataona, hono, izao.

‘Ndreny mifanena an-dalana eny
zokibe manjokaiky,
manopy maso ny anio
fa tsy toy izao ny omaly…
Zokiolona efa konka
mivilavila am-pandehanana,
nilaozan-janaka nilasy
sy manaraka fivoarana!
Aty andafy moa izao.

Hitanao variana ery
ireo vahiny sy tanavo,
fa tanàna hafa ity Paris.
Rimorimo,
toa tandrimo…
Rodorodon’ny mpandalo
toa enjehin-javatra daholo.
Mandeha lera ny tontolo.

Hay izao no fandrosoana
te-hikipy aho, te-hitrona…
Izay vehivavy mandalo anao
mihaingo tsy fanao ianao.
Lokomena mitankosina,
randran-tarika fonosina,
sy ny misarakorako volo;
Nahazo taona na zatovo
atrangany avokoa ny sorony
mila hitranga be ny nonony,
mangaraka ny telozorony.
Dia tratra andro koa ny foitrany
toa mihanjahanja koa ny maojany.
Vaiavy maoty na tsy mifandraka
ny foto-peny te-hitanjaka…

Mikavina aby ny mpianakavy
tsy amantaran-dahy sy vavy.
Ny tovolahy mirandram-bolo
ny ampela tapa-bolo;
Ireto boky aman-gazety
feno sary
vetaveta no mirenty.
Tazanao etsy am-pita
trano fampiderana bika,
fiboridanana ihany koa
loza iray, loza roa.

Mifanoroka ny etsy.
mifampisafo ny eroa
jefijefy avokoa…!

miHAJA
12.06.2003, Paris
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1963 2
Mpakafy: mihajako - lanjou
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : miHAJA
Nampiditra : mihajako
Daty : 05/02/2007 15:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134