You are here: home > Vetso

Mifanadala - miHAJA

Mifanadala

Efa nokoboniny sy misisika ao anatiny
ny endrikao tsy fantany…
Ny soratsora-maminy
toa mangentana tsy ho tantiny
kanefa dia izany…

Mivavabavaka izy, isan’andro vaky
hahita anao anilany…
Mitombo ny fotoana
sady efa manakaiky
ny tsy ahitany izany silany!

Misandratra amin’ny tranobongony
ny setroka tomaniny…
Hatry ny ela mihitsy
no foana ny vilany nongony
fiainana tsy laniny.

Korontandrontankely lavitra malala
manantena hatrany…
Kamboty velon-kavana
fa mba mifanadala
dia mbola hihaona ihany!

miHAJA
01.02.2007, Tsiroanomandidy

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : miHAJA

Nampiditra : mihajako
Daty : 31/01/2007
Mpamangy : 760
Mankafy : 2
Ankafizo Azo vakiana?

Tononkalo hafa

HANOMPO
JEJIJEFY
HALA
ETSY KELY

Hevitra mandeha

tsitsina (05/02/2007 05:48:10)

tena tsara mihintsy ilay tononkalonao io an!

Hametraka hevitra

Midira aloha