Ampidiro aloha ny tenimiafina
HALA (miHAJA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HALAMenafify ny taratra hariva
manombantombana ny androko ety,
Toa mandefa ambiroa andakira
hitondra hafatra ho an’ilay tia.
Te-hianoka fy hogiazana
hihoso-menaka ny alo-navelany,
Misambatra irery tsy tazana
raha miravaka ny sombin’ny elany.
Ifikirako mba hanan-tandrify
andosirako toa mangarangarana,
Ny hala tsy manaiky hidify
vao mainka ny soa ifaharana.
miHAJA
18.11.2004, Harare
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo
