Nahoana kay (Mo-zo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana kay ianao no toa tsy miala an-tsaina
Na dia efa manadino aza aho toa lasa very maina
Na tsy eo intsony aza 'lay endrikao nambabo indray niserana ahy
Ny tandindon'ny fitia mandoro sy manaloka mandratra ny fanahy

Nahoana kay ny tsikinao no namelina ny fiainako
Zao zary rava izy nisoko ho takaitrako
Nanjary lasa nofy ratsy tsy mba misy iherena
Fa mikiky ny ao anaty tsy mba mety sitran' ny ela

Nahoana kay no tafaray ny lalantsika roa
Raha ny niafarany alahelo tsymba ritra sy aretim-po
Nefa vao niandoha ,ilay fitiavantsika nohirina ho doria
Dia hasambarambe ,menamena ny tontolo noravahana fitia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
188 2
Mpakafy: Safira - Fangaika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mo-zo
Nampiditra : Fangaika
Daty : 25/10/2024 05:09
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139