Tsy sahy (Mo-zo)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy sahy aho raha anambara
Hoe manam-pitiavana anao
Tsy sahy aho ny hiantso malala
Matahotra atao kilalao
Rehefa matazana anao
Dia mivatravatra ny foko
Kanefa tsy sahy aho , lazao
Matahotra ny ho toloko
Rehefa hiresaka anao
Dia iny aho fa mihaotra
Tsy sahy aho ka ambarao
Fa tena voafehin'ny tahotra
Ny fahatahorako ireo
No manosika ahy hitia mangina
Ka izay tsy hasahiko maneho
Ny fitiavana efa hafiriana
Ka izao , matoa aho izany mangina
Dia matahotra ny ho tsy tiana
Ka aleoko tazomina irery
Na dia efa mamokatra fery
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
109 1
Mpakafy: Safira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mo-zo
Nampiditra : Safira
Daty : 26/02/2024 02:27
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014