Mbola misy dikany ve ny fiainako (Mo-zo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola misy dikany ve ny fiainako
Mitombo ny andro dia mitombo ny olako
Mande ny volana dia mitombo ny ranomaso latsaka
Mandalo ny taona dia vao maika aho tsy afaka

Maro tsy vao tanisa ny olana sedraiko
Kanefa eto an-tany tsy misy antenaiko
Fa dia miady rery tsy mba misy hianteherana
Fa dia voatositosika fa raozy tsy mamelana

Mbola misy dikany ihany ve ny fiainako
Mbola misy tanjona ve ny andro iainako
Sa ho tamperiko dia tsy ho re intsony
Fa fiainana tsy misy tanjona ambany na ambony

Fa dia nahoana laotra no mafy no zakaiko
Mafy tsy mba zaka tsy voatohitry ny saiko
Ka lasa velom-bolo aho tsy mahateny intsony
Fa ranomaso sisa no mameno izato fony
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Alahelo - Fitiavana
195 1
Mpakafy: Safira
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mo-zo
Nampiditra : Safira
Daty : 27/10/2024 10:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0699