ilay namako nitia ahy (mpanoratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sarotra amiko ny manavaka
Ny fifandraisantsika re rahavako
Hifankatia sa ho mpinamana
Inona ary no mba lahatra

Efa hoe tsy azo atao
Ny miaraka aminao
Ilay namana tsy foy
Nefa aho tsy namoy

Sarotra amiko ny hino
Fa izaho no hanadino
Ireny vitantsika ireny
Tadidiko ombieny ombieny

Dina inona ary no azo atao e!?
Izaho tsy te hitianao
Namako hatramin'izay
Milaza fa tia ahy tsy miahiahy

Ra izao no mitohy
Dia aleo mihitsy mifamohy
Amin'izay izaho sy ianao
Tsy mihaina toy izao

Tahotra, Fahoriana, Ahiahy
Izay no hiainantsika sy ialahy
Koa inona no nde ho atao ?
Hialantsika amin'izao

Hadinoy ny tantarako
Sy izay mikasika ahy rehetra
Fa ny zavatra ho tanakao
Dia ho mpinamana tsy misy fetra

Aza asiana sakatsakana
Ny finamanantsika mianadahy
Aleo hitovy tamin'ny taloha
mba ho sambatra tokoa

Ilay namantsika iray
dia efa tiako hatramin'izay
Fantatrao angamba izany
'Zay ilay fiainana eto an-tany

Tsikitsiky tsy ho adino
No handaozako anao
Fa sarotra amiko ny hino hoe
Ity foko tianao

Veloma ianao ry namatiana
Fa tsy ho ataoko hoe olotiana
Ndrao mivadika eo ny rasa
Ka ny foko ny ho voarasa

Aza ataonao tsinontsinona
Ireny vitantsika ireny
Fa izany aza aza fihinina
Fa mankarary ny fiteny

Dina a! tsy ho anao ny foko
Efa misy naka toerana
Tsy fitiavana ny antsika
Fa rendrarendra manampiafarana

Ianao ilay namako
Nitia ahy tsy fidiny
Aza atao ho tena izy
Fa tsy ho zakako ny ngidiny

Aza tiavina lesy ny foko fa manimba ahy sy ialahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3118 0
Hevitra mandeha
Kanel ( 24/10/2005 15:06)
lava lôtra e!ataovy fofoy @ manraka fa na dia izany aza dia tsara satria mitovy ny manjo ahy sy io kôfy io
laalah ( 26/11/2005 14:22)
tena milay be le e marina e
laalah ( 26/11/2005 14:23)
tena milay be le e marina e
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpanoratra
Nampiditra : Minna
Daty : 20/10/2005 16:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147