RDB(RADIO DON BOSCO) (mpanoratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy akon'ny tamberina nadonan'ny fo tia monja fotsiny ihany
no teraka ao fa tia,
tsy alaina ka aterina toy ny fitia iainana eto an-tany,
satria hoe malia
fa tosa-pahazavana, mitia manerinerina,
fitiavana tamàna tsy leo mamerimberina ny toky tany ho any
O RDB, izany ka fitia,
tsy misy mahatakalo,
tsy manam-pahavalo.
Mpanoratra:ANJARILIVA
Ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha10 nisian'ny RADIO DON BOSCO
--------
Rohy:
2682 0
Hevitra mandeha
Rhasinats ( 20/08/2011 14:14)
Mahafinaritra sy mendrika tokoa ilay tonon-kalo. Fa tsara ho singanina manokana ihany koa ny mpanoratra. Mpanaraka tsy tapaka ny RDB ny tenako aho ary tena mahatsapa ny fahaiza-manaon'ny mpanoratra na eo amin'ny fanolorana na ny fanatontosana ny fandaharana izay hiandraketany. Mety mbola misy tononkalo hafa ve nosoratany ary azo atao ve ny miserasera mivantana amin'ny mpanoratra eto amin'ity sehatra ity ?
Dia misaotra sy mankatelina tompoko.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpanoratra
Nampiditra : ledada
Daty : 17/08/2006 07:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095