Indrisy ry malala (mpanoratra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho kay tsy nahalala
Hoe ianao tsy tia akory
Ianao mody niantsoantso"malala"
Kanefa dia toa nanorisory
Nanorisory anao ny niantso izany

Izaho nientan-kafaliana
Nihaino tamim-pitsikiana
Ny fomba fiantsoanao ahy
Ka nahatonga ahy ho sahisahy
Tsy ho menatra anao intsony

Kinanjo nony nisy ny fotoana
Niadivantsika foana
Toa nanjombona ny androko
Nihamalemy ny sandriko
Satria tsy nisy niantso hoe"malala"

Voatosiky ny onjam-pitiavana aho
Nanantena ny hitodihanao
Indrisy fa tsy nitia ahy intsony
Ilay mpiantso malalan'ny fony
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo
2533 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mpanoratra
Nampiditra : nomena
Daty : 26/11/2005 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0198