AFAKA - naritsimba
Azo vakiana?
“Atolotro ho an’i zanakolahy noho ny fahafahany fanadinana CEPE ny 24 jona 2007”
Tebiteby, adin-tsaina,
Ny taona maro niadiana
Tena nampiferin’aina
Tsy nananam-pahatoniana
Dingana iray no vita
Noezahina ho tratra
Herim-po tsy nety ritra
Tao anaty no nanjaka
Ianao ‘lay zazalahy
Tsy be teny sy bonaika
Noesoina ho tsy sahy
Nolazaina ho tsy miraika
Maro be ireo nahasahy
Nilaza anao fa tsy hahavita
Nefa ianao dia lehilahy
Manana herim-po tsy ritra.
Gaga ny olona rehetra
Ary ts’isy nanam-po
Efa tafitanao ‘lay fetra
‘Zay vao gaga avokoa
NARITSIMBA
mai 2008
Mombamomba
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimbaDaty : 05/05/2008
Mpamangy : 1137
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
????????FETY
!!!!!
VELOMA...R'ILAY NOTIAVIKO
SAHADY...!
FITARAINANA
HO AZY
NY LALAKO
FAHATSIAROVANA
NY ZANAKO