SAHADY...! - naritsimba
Azo vakiana?
"Ho an'i RC"
Ilay fitia vao nafafy
Nantenaina mba haniry
Dia nilofika sahady
Ts'hita akory mba nitsiry
Fa nahoana kosa lahy
'lay olon-tiako sy ity tenako
Ilay fitiavako mba sahy
Ny foko no mba nandevenako
Teny tsotra no voasoratra
Ho anao ilay notiaviko
Ranomaso no nandrakotra
Nameno ny salova-tavako
Hifandao izato isika
Tsy hifanoroka ny molotra
'zary lasa nangatsiaka
Ilay fitia vao nanomboka
Dia veloma ianao ry Tiana
Mirary anao ho todisoa
Ka ho tojo izay iriana
VELOMA dia mirary soa
NARITSIMBA
Mombamomba
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimbaDaty : 08/05/2008
Mpamangy : 1070
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
????????FETY
!!!!!
VELOMA...R'ILAY NOTIAVIKO
AFAKA
FITARAINANA
HO AZY
NY LALAKO
FAHATSIAROVANA
NY ZANAKO