NY LALAKO (naritsimba)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“Atolotra ho an’ireo izay tsy manan-tsaina afa-tsy ny manaratsy sy manenjika ny hafa.”

Ny lalana hombako, dia efa voasoratra
Lala-mankany, amin’ny tanjona iray,
Ny lalan’hombako, dia tsy ho tratra toraka
Mizotra amin’ny fiainana mandrakizay

Ny fomba izorana, dia maromaro
Ny fakam-panahy etsy an-daniny ihany
Fa ny ahy dia safidy, satria misy Mpiaro
Tsy iza fa ny Ray, any an-danitra izany.

Hiezaka aho, hizotra amin’ny lalako
Na iza hiteny, ary hanome tsiny
Ny zavatra tokana izay hifaharako
Dia ny fitiavana, fitiavana ihany

Izay no voalaza, hizorako izao
Manome fanampiana, manao soa
Tsy hanao toy ny hafa, mba manan-katao
Manao ihany, zara fa vita sy kitoatoa.

Isaorako indrindra, ny Ray ao ambony
Nanome tanjaka, sy saina ary hery
Misy tsy mahatsapa, fa ny ao am-pony,
Tsy misaina ankoatran’ny ho azy irery.

Tsy hiverin-dalana aho, n’inon-kidona
Na iza hanakana, tsy maintsy miroso
Raha mitady hivena, tohano tsy hirona

Ry Ray ao ambony, tantano ny diako
Fa hiezaka mafy aho, hanatratra ny tanjona
Mba ho tazan’ireo, izay tavela aoriako.


NARITSIMBA
JONA 2007
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1543 0
Hevitra mandeha
toetra ( 16/05/2010 12:09)
...
Na inona
Hihatra
Ary koa
Hidona,
Tsy maninona
Fa zatra
Ratram-po
Sy honahona.
Ka ny atao
Hitoetra
Ary hasesy
Tsy ho lany
Dia izao :

Ny tarigetra
MANDRESY,
IZAY IHANY !

"Sarotra", Toetra RAJA
oktobra 2004
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : naritsimba
Nampiditra : naritsimba
Daty : 12/06/2007 06:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099