ireny rehetra ireny - njaf
Azo vakiana?
ireo tsiky kely monja
eny amin'ny molotrao
ilay jery mitsilopy
eny amin'ny masonao
dia ampy halalako
ny ao anatinao
reo sangisangy mamy
matetika fanao
ireo tsongotsongo kely
ataoko an-tsandrinao
dia ampy ahatsapana
ireo hetahetanao
ny doboky ny fo
miritsoka ao anaty
ny fihetsika ao ivoho
mitory tsy mivaky
dia afaka ilazana
ny zavatra tsy tanty
fa izaho manahy ihany
fa sao tsy ampy ireny
k'aleoko tsy niteny
Sokajy :
Aingam-panahy, Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njafDaty : 07/12/2006
Mpamangy : 1375
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AZA ...tohizo ny lalana
NA INONA
Nisy
mpinamana
Mahagaga fa
aloka niserana
hanina anareo
fitia tsy ankiteny
tovovavy mistery